1 Ary nony taminny andro fahatelo, dia niankanjo fiandrianana Estera ka nitsangana teo aminny kianja anatiny aminny tranonny mpanjaka, dia teo anoloanny tranonny mpanjaka, Ary ny mpanjaka nipetraka teo amboninny seza fiandriananny fanjakana tao an-dapa, tandrifinny vavahadinny trano.

2 Ary nony hitanny mpanjaka fa, indro Estera, vadinny mpanjaka, nitsangana teo an-kianja, dia nahita fitia teo imasony izy; Ary ny mpanjaka nanondro ani Estera taminny tehim-bolamena izay teny an-tanany. Dia nanatona kosa Estera ka nanendry ny loha-tehina.

3 Dia hoy ny mpanjaka taminy: Inona no angatahinao, ry Estera, vadinny mpanjaka, Ary inona no tadiavinao ? Fa na dia hatraminny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena anao izany.

4 Dia namaly Estera ka nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka aoka, ny mpanjaka sy Hamana hankao anio aminny fanasana izay efa namboariko ho azy.

5 Dia hoy ny mpanjaka: Asaovy avy faingana Hamana mba hanao araka ny tenini Estera.Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankeo aminny fanasana izay efa namboarini Estera.

6 Ary hoy ny mpanjaka tamini Estera teo am-pisotroan-divay: Inona no angatahinao ? Fa homena anao izany. Ary inona no tadiavinao ? Fa na dia hatraminny atsasaky ny fanjakana aza, dia homena izany.

7 Dia namaly Estera ka nanao hoe: Izao no angatahiko sy tadiaviko:

8 Raha mahita fitia eo imasonny mpanjaka aho, ka sitraky ny mpanjaka ny hanome izay angatahiko sy hanome izay tadiaviko, dia aoka ny mpanjaka sy Hamana hankao aminny fanasana izay hamboariko ho azy indray; Ary rahampitso dia hanao araka ny teninny mpanjaka ihany aho.

9 Dia nivoaka taminizany andro izany Hamana, sady faly sy ravoravo ny fony; fa raha nahita ani Mordekay teo am-bavahadinny mpanjaka izy, fa, indro, tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory, dia feno fahatezerana taminy izy.

10 Kanefa nanindry fo ihany Hamana ka lasa nody tany an-tranony aloha; dia naniraka naka ny sakaizany sy Zaresy vadiny izy.

11 Ary nambarani Hamana taminireo ny voninahitry ny hareny sy ny hamaroanny zanany mbaminizay voninahitra rehetra nomenny mpanjaka azy sy ny nanandratany azy ho ambony noho ny mpanapaka sy ny mpanomponny mpanjaka.

12 Ary hoy koa Hamana: He! Estera, vadinny mpanjaka, aza tsy naka olona afa-tsy izaho ihany hiaraka aminny mpanjaka ho aminnny fanasana izay efa namboariny; fa nasainy hiaraka aminny mpanjaka aho koa rahampitso.

13 Nefa na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola mahafa-po ahy ihany, raha mbola mahita ani Mordekay Jiosy mipetraka eo am-bavahadinny mpanjaka aho.

14 dia hoy Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Aoka hanaovana hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, Ary raha maraina dia lazao aminny mpanjaka mba hahantona eo Mordekay; fa mandehana miaraka aminny mpanjaka amainny hafaliana ho any aminny fanasana hianao. Ary sitraki Hamana izany zavatra izany, ka dia nampanao ilay hazo izy.
